<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Mainzer</author>
<title>Ny lapan'Andriamanitra FFPM691</title>
<lyrics>[V1]
 Ny lapan'Andriamanitra
 No ivorian'olona
 Tsy omby alinalina,
 Izay madio sy masina.

[V2]
 Izao firenen-drehetra izao
 Dia samy afaka hankao ;
 Tsy fomban'Andriamanitra
 Hizaha tavan'olona.

[V3]
 Ireny no naharitra
 Ny hazo fijaliana,
 Na dia nanao ny henatra
 Ho zava-tsinontsinona.

[V4]
 Endrey, ny hafaliany !
 Mazava ny tarehiny ;
 Fafàn'Andriamanitra
 Ny ranomaso latsaka.

[V5]
 Ataony ao ny hira vao
 Hoe : &quot; Voavono Hianao ;
 Ny ranao, Zanakondrinay !
 No nanavotanao anay &quot;

[V6]
 Ry Jeso ô Mpanavotra !
 Izaho dia milatsaka
 Ho isan'ny mpanomponao
 Manaraka ny dianao.</lyrics>
<hymn_number>691</hymn_number>
</song>